Porofo-pitia (Ny Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy hery velona ao anaty ao
Hery toa tsy hay toaina, vavahàna;
Atolotro anao izany raha sitrakao
Mitady vohangy mba ho havana

Tsy toiny ireny vonikazo an-jaridaina,
Mora malazo, toa mora maina;
Na koa toa ireny zozoro raha may,
Mirehetra dia indro maty indray!

Na hoe: "irony rano trambo irony"
Ka sahy misandoka ny rano ao an'ony;
Fa fitiavana marindrano, tena azo veroka,
tena matondra-drano, toa ranon'erika.

Sanatria, tsy ho fitia mihevaheva,
toy ny boloky lahy homam-boatseva;
Ka ho mamy ny atsy, fy ny aroa,
Ny ho kinasa, hofitiavantsika roa!

Fa fitia toa fary lava vaniny,
tsy ho lany mora ny maminy;
toy ny vato lavasorina,
ka fitia sarotra fongorina;
Marina avokoa n'aiza aleha,
Fitia tsy matahotra afobe.

Tsy natao an-tendromolotra,
'ty fitivana natolotra;
Fa toa tsoka ka latsaka anaty,
Lamban'akoho ka mandramaty!
(03/12/97)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2195 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Sitraka
Nampiditra : nyrsi
Daty : 08/07/2006 14:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0274