Fa mba nankaiza!? (Ny Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mba nakaiza kosa lahy,
Lay nahaolona dia ny fanahy!?
Fa toetra mamohetra,
No mianaka, mivelatra!?
Fa mba nakaiza kosa izao,
Lay naha malagasy anao!?
Toa mirongatra tsy hay tanana
Ny ory tsy havan'ny manana!
Fa mba nakaiza kosa izatsy
Lay famaontinana tsy mba misy tasy!
Fa fitafiana, miboridana, tsy mirindra;
No lazaina fa"Ny kanto indrindra"!
Fa nahoana kosa moa
Raha havela, hajanona avokoa
Reo zay tsy mahamendrika
Sao manko!,ho tafita vao ho
rendrika!
Fa mba nakaiza kosa lahy,
Lay nahaolona dia ny fanahy!?
Fa toetra mamohetra,
No mianaka, mivelatra!?

Ny Sitraka
(02/03/02)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Sitraka
Nampiditra : nyrsi
Daty : 23/06/2006 08:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091