Veloma (Ny Tononkaloko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.Tsy nifankala akory,
Izaho sy ianao tamin'izay
Nefa niniha tsy tsaroana
Tamin'io ilay andro iray
.Toa mamela fahatsiarovana!
Nitoetra tao am-po!
Ka miteraka alahelo!
Mahatorovana ny loha!
.Toa tsy tsaroko akory
Ilay veloma nifanaovana
Toa tsy norarahiako!
Ilay toeranana nilaozana!
.Hay ianao sendra nandalo!
No nambabo ity foko,
Zay vao tsapako fa hay
Veloma mbola tia,
.Tiako ianao tamin'zay
Saingy tsapako ho hadala!
Niantsampy tamin-dolo
Lolo izay tsy nahalala!
.Ka nandingana ity vony
Efa natolotro sahady!
Hay niraraka sy maina
Ka nanjary toa nalazo!
.Ilay veloma nifanaovana
Zary afo ka nandoro!
Ilay kianja nilalaovana!
Nodi-tsy hita intsony!
.Tiko ianao saingy izao
Toa nifarana hatretro
Noho ilay velomanao
No nanidy ity foko'
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1576 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Tononkaloko
Nampiditra : Tononkaloko87
Daty : 10/10/2016 11:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162