O ry Gezani, 'ty lozanao! (Ny_Vetso)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy honohono na angano,
Ny Talatan’ny 10 febroary.
Fa tranga nampivarahontsana,
Nandravarava sy nanamontsamontsana.

O, ry Gezani, ‘ty lozanao!
Fa tao Toamasina tao, no nandrenesana vaovao.

Mampivaloarika tsy fijery akory ity nafitsokao:
Trano, hopitaly sy ny harena rehetra rehetra,
Tsy nisy iray tavela fa natao an-terisetra, amboletra.

Ka, na trano bongo na trano goavana,
Rava avokoa, tsy nisy niangana.
Na andrin-jiro lehibe, na hazo mijoalajoala
Nazeranao avokoa, tsy nisy namindranao fo.

Tobin-tsolika, trano filanonana,
Eny, hatramin’ny Fiangonana
Dia naripakao daholo.
O indrisy, tanam-polo!

Tsy zavatra hita maso monja,
No nafitsoky ny rivotra sy ny onja ary ny orambe nivatravatra.
Fa Havana sy namana, be ny maty sy naratra.
Azo heverina fa ny Malagasy manontolo no nanaovanao bontolo.
O, ry Gezani, ‘ty lozanao!

Ny hany sisa azo atao,
Dia molotra mipentsopentsona, ranomaso potrapotraka
Miampy vavaka mangina, amin’ny saina efa trotraka.
No nasandratra ombieny:

“Tompo o, mba onero ireo very, onero inarivo heny!
Dia kasiho ireo marary, ampaherezo izay mijaly.
Tohano ireo kanosa, tolory fahasoavana miavosa.
Atsangano ireo reraka, aza avela hitofezaka!
Matoky aho, fa IANAO ilay Mpamboatra tena kinga.
Ka afaka hamerina amin’ny laoniny indray ireo rehetra simba.” Amen!

Rango-penin’i Ny Vetso,
Orphelinat Kids Hope, 11 Febroary 2026
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
90 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny_Vetso
Nampiditra : NyVetso001
Daty : 05/03/2026 18:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0143