Mba hanotany kely fotsiny (NyAina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba hanotany kely fotsiny aho
Hoe sambatra ve ianao eo antratrany?
Mbola eo ve izy sa efa nandao?
Ireo toetra ratsinao ve mba zakany?
Hainy ve ny mandefitra rehefa ianao manao adisona?
Miantso anao fona ve izy sa indraindray ianao tsy tsarony?
Manambitamby anao ve izy sa ianao fona no andrasany mba hifona?
Mba tena tsapanao veny lanjany sy izay tena ao ampony?
...
Tsy zany mantsy fa mba te hampatsiahy kely
Hoe mbola ato ilay fo mazaka ireo ditranao
Mbola ato ilay fo , na dia efa feno tako-pery
Miandry fona, manatena ny fiverenanao...satria mbola tia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
305 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NyAina
Nampiditra : ampiantsoa
Daty : 13/01/2023 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103