Hevitra momba ny REHEFA ALINA ......

Hiverina amin'ny REHEFA ALINA ......
fahamarinana ( 05/06/2009 07:35)
ALINA

Alina hono fieritreretana
Fieritreretana ny ho avy
Ny ho avy tsy maintsy hatrehana
Hatrehana satria izay ilay fiainana

Faha

Na izany aza rehefa tsy te hieritreritra izay satria be loatra ny adi-tsaina dia aleoko ndray atoandro foana an !
maeva74 ( 12/06/2009 17:25)
zah koa mba tia ilay alina , hieritreretako ilay andro lasa
endrika01 ( 14/06/2009 09:23)
ny alina mampatahotra ahy kou ,

tsara lay vetsonao !
endrika01 ( 14/06/2009 09:24)
ny alina mampatahotra ahy kou ,

tsara lay vetsonao !
hasinina ( 31/08/2009 13:24)

andro iray tanteraka
alina ho teraka ...

mitsidika sahady:
baraingo be mandreraka
ery ambavahadin'
ny ampitso manadala
tsy mbola misy lala (1)

ny jironao tsofy
ny lamba irakofy ...
tapitra ny androany.

alina tanteraka
miandry andro ho teraka.

... manofisa mamy !

-----------------------------------------------------
(1) lala = fantatra, fototenin'ny hoe "mahalala"



rhina ( 03/09/2009 05:28)
tena ita mits oe mifaly @ zavamisy enao ry ONITRA
tsara e!!!!
ora ( 21/04/2017 12:33)
ny alina mampieritreritra
sy hieritreretana ny rehetra
fa raha tsy afa-mieritreritra
dia ilay eritreritra no fetra
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009