You are here: home > Vetso

REHEFA ALINA ...... - ONITRA

Azo vakiana?

REHEFA ALINA .....



Rehefa injay fa tonga ny alina
tsy mba kivy ny fisainako,
fa finaritra aok'izany,
raha mandinika ny fiainako,
satria tafita soa aman-tsara
fa nahavita andro iray,
sy nahatontosa ireo adidy
izay napetraky ny Ray.

Onitra
Alahady 31 janoary 1999 / 9ora sy 36minitra alina.

Sokajy : Fifaliana

Hevitra mandeha

fahamarinana (05/06/2009 09:35:13)

ALINA

Alina hono fieritreretana
Fieritreretana ny ho avy
Ny ho avy tsy maintsy hatrehana
Hatrehana satria izay ilay fiainana

Faha

Na izany aza rehefa tsy te hieritreritra izay satria be loatra ny adi-tsaina dia aleoko ndray atoandro foana an !

maeva74 (12/06/2009 19:25:58)

zah koa mba tia ilay alina , hieritreretako ilay andro lasa

endrika01 (14/06/2009 11:23:43)

ny alina mampatahotra ahy kou ,

tsara lay vetsonao !

endrika01 (14/06/2009 11:24:26)

ny alina mampatahotra ahy kou ,

tsara lay vetsonao !

hasinina (31/08/2009 15:24:24)


andro iray tanteraka
alina ho teraka ...

mitsidika sahady:
baraingo be mandreraka
ery ambavahadin'
ny ampitso manadala
tsy mbola misy lala (1)

ny jironao tsofy
ny lamba irakofy ...
tapitra ny androany.

alina tanteraka
miandry andro ho teraka.

... manofisa mamy !

-----------------------------------------------------
(1) lala = fantatra, fototenin'ny hoe "mahalala"



rhina (03/09/2009 07:28:39)

tena ita mits oe mifaly @ zavamisy enao ry ONITRA
tsara e!!!!

ora (21/04/2017 14:33:14)

ny alina mampieritreritra
sy hieritreretana ny rehetra
fa raha tsy afa-mieritreritra
dia ilay eritreritra no fetra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ONITRA

Nampiditra : fahamarinana
Daty : 05/06/2009
Mpamangy : 1500
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Tsy ahoako....
SAHIA......
Tena ampy izay
ILAY VERY FA HITA INDRAY
Andriamanitra รด !
NY FAHAFATESANA
VAVAKA
TSIKY