Onjan'iza no anjaka ? (Onjampitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lay feonao mibitsika am-poko
Milaza, manambara
ny alahelonao , taraina
Tsy ahy ho zaraina
tsy ahy zakaina

Ra nanonja hatrany anefa
Nivikiviky,
Tsy ahy fefena
Tsy ahy rarana
Tsy voatana
Fa
Nameno ny ato anatiko

Na ho sasana aza ny saiko
Na ho jambaina aza ny masoko
Na ho tapahina aza ny sandriko
Ny peniko ho simbaina
Ny teneko ho roraina , hamavoina
tsy maninona fa ho zakaina

Ny hany antenaiko de
Lay endrikao,
Ny fonao,ny ahy
Mitempo ho iray
Hanjaka , handresy
Tsy ho rava
Na ho lefy

Ho entiko, an-tsandrinao,
Tsara voatra
Eny an'abakabaka eny
lay Onja
Maherin'ny fitia
Ho fanaperana
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1126 1
Mpakafy: nikopol
Hevitra mandeha
nikopol ( 03/06/2008 11:00)
tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Onjampitia
Nampiditra : onjampitia
Daty : 27/05/2008 08:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0247