Ny Valim-babena - Lovako T3 (Pierre Robert Ralandy)

Nantsain'i Mahatoky Azy
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada malala sy i neniko izay
Dia fola-damosina ery taminay
I Neny no nitaiza, nibaby, nanasa
I Dada isan'andro torovana miasa

Izaho no tomady sy tena salama
I Dada no vizana be nikarama
Izaho no olom-banona sady hendry tsara
I Neny no sasatra nikarakara

Mba inona kosa no havaliko ireny
Fitiavan-tsy ritran'i Dada sy Neny?
Manaraka tsara izay anatra omeny
Mivavaka ho azy no valim-babena!
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fitiavana
252 4
Mpakafy: rina15 - Djess - Fre - hery
Hevitra mandeha
hery ( 26/08/2024 19:28)
Tsianjery fahiny... fa tena tiako be ilay niantsa azy... Misaotra
Fre ( 27/08/2024 12:44)
I Mahatoky Azy ilay miantsa, 7 taona izy ary hiditra kilasy T3, ka dia nanokatra ny boky lovako hisantarana izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pierre Robert Ralandy
Nampiditra : Fre
Daty : 26/08/2024 13:35
Antsantononkalo
Nantsain'i Mahatoky Azy
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135