Ho tia sy hamela anao ? (Papango )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tia sy hamela anao ?Mbola ho tia indray ve ny foko izay nailika ?
Mbola hanaiky horaisinao ny tanako nahifika
Ny anara-nolotoina mbola hankatò, tsy handao ?
Ity olona nesoina mbola hanoa ny filanao?
Mba nikarakara ihany fa nanantena fitiavana
Kanjo any ambadika any voarakotra fandavana
Sady efa haratsìna no mbola atao fihomezena
Nampangaina hoe tsy tiana fa misisika an-detrezana.
Moa hahay hamela heloka raha tena hisy ny fifonana?
Impiry nodisoin-kevitra tany ambadika an-takonana?
Moa ve izy tena hiova raha iny miala tsiny ?
Sa alasafay tokoa toy ny izay niseho fahiny ?
Injao fa mihamankahala ilay foko tsy namitaka
Injany mihamamanala ilay fo nafana sy nibitaka
Raha tsy hisy ny fifonana tsy inoina ho mbola tia
Moa tena hisy fandevonana raha mody hiala tsiny irÿ ?
Papango 13:58 06/06/26
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo - Eritreritra mandalo
