You are here: home > Vetso

zaza mila vola - paul andrianantenaina

Azo vakiana?

Zaza mila vola

Zazakely mila vola
Ry Zanahary mba tantano
Fa loza be mahasola
Ny mandao ity loharano

Zazakely milanja angady
Ry Zanahary mba tariho
Fa  io no ampinga ho enti_miady
amin’ny  hanoanana sy ny tadio

Zaza mandrato fianarana
Ry Zanahary mba tahio
Fa io no tohatra fiakarana
ahazoana toe-tsaina madio

Zazakely mila vola
Ry Zanahary mba fahano
fa tena tsy afa-midola
ny vatana tsy aman-trano




Hametraka hevitra

Midira aloha