LAKAM-PITIA (R.Diamondra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dini-tsy natefa no nandiso vinavina
Fitiavana nitefa no nahajamba ireto maso
Teny nolokoina langolango ngolangola.
Lainga diso no voamarin’ilay tsiky
Ary fon-dehilahy no babon’ireo masony.

Dia babo izy
Renoky ny nofy ka niaina nofinofy
Nefa nofinofy tsy nitoetra
Noravain’ ilay maraina

Dinitra mangidy no sotroiny mangina
Fitiavana nilefa no nanondraka ireo masony
Teny tsy voahevitra no nanindrona ny fony.
Lainga nohamarinina no sarony fa diso
Ary ny fony e, vakivaky torotoro.
--------
Rohy:
1266 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.Diamondra
Nampiditra : R.diamondra
Daty : 30/10/2015 11:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099