FITIA VOARARA (R.E)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana moa isika no tsy navela iara-dia.
Ary norarana an-tery setra mba tsy hifankatia.
Ireo lehibe mantsy no avy hatrany dia nandrara.
Dia aleoko tsy tohizana fa izay no efa anjara.

Tsy aiko ny hanadino ireny lasantsika ireny.
Ka mamisavisa sisa sy mangina tsy miteny.
No mba azoko atao rehefa mahatsiaro.
Ka mamono heritreritra amin'ny hira mifangaro.

Raha fantatra mialoha,fa fitia voarara.
Dia naleoko nionona fa efa tsy anjara.
Saingy aty aoriana vao ambara fa tsy mety.
Ka hiteraka alahelo tsy hisinda vetivety.
05/03/19
R.E
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1645 1
Mpakafy: rahesperent
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.E
Nampiditra : rahesperent
Daty : 05/03/2019 19:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134