lasa izy (R.freddy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela ihany angamba zay atsika roa no niaraka
Tsisy disadisa fa nahay nifanaraka
Niaraka nivoady fa refa maty vao hisaraka
Indro anefa ankehitriny, zay sahady dia efa tapaka

Niova tampoka ianao fa tsy hay hoe naninona
Ilay izaho nohajainao taloha lasa ataonao tsinotsinona
Manotany tena zaho fa misy inona?
Sa ve anay pirina de atakalonao vilona?

Tsy nihambahamba akory enao no niteny tamiko hoe
"Tsy mila anao intsony aho fa lasa enao mandeha"
Inona moa no antony sa lay fahatrako ve?
Vola no tsy ananako fa raha fitia dia be dia be

Titia nomeko anao zay tsy nisalasala ianao nanary
Ka toa hadinonao hatramin'ilay voady naparary
Tsy noheverinao hoe izaho lasa mijaly
Fa izaho tsy haninona anao fa ANDRIAMANITRA no HAMALY
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fisarahana
1272 1
Mpakafy: razanatsitohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.freddy
Nampiditra : razanatsitohaina
Daty : 12/10/2017 13:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014