mba raiso (R.freddy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko hoe efa ela angamba
Nifankalalantsika roa
Nefa misy zavatra banga
Tsy mbola voateniko anao koa


Ka androany no haborako
Izay teny kely izay
Na menatra aho na koa mivoraka
Ny ato apoko efa mamaivay


Tsy ho lava resaka aho
Fa izao no ato ampoko
Angamba efa fatatrao
Fa tiko ianao hanaiky ny foko


Miangavy re raha azo atao
Mba raiso ho anao ny fitiavako
Eto aloanao aho no mitalao
Miandry ny valiny aho rahavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fiangaviana - Fitiavana
1144 1
Mpakafy: razanatsitohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.freddy
Nampiditra : razanatsitohaina
Daty : 16/10/2017 08:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144