Ampidiro aloha ny tenimiafina
Andriamanitro oh! (R.V.K)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitro oh!.
Fa dia nahoana re???
Ny antitra tsy lany
Ka ny zaza vao mandeha
No aringanao sahady
.
Moa va,...nisy ota fady
Na heloka nataon'
Ireo zaza vao mandady ???
.
Andriamanitro oh!
Mahonena loatra
Ny hirifirim-pon'
Iretsy Ray sy Reny
.
Bongon-dranomaso
Tsy mahaloa-peo,
Miangavy re toneo
.
Meteza hampitraka
Hampihonona sy hamafa
Ny ranomaso lany
Tsihifin'ito tany
.
F'angamba tsy mba misy
Mangidy mihoatra izany
Mamoy ny sombin'ny aina
Fa ketraka ny saina
.
Iza no hantenaina???
.
Tsy zakan'ny fon-Dreny
Malemy sy osaosa
Ny hahita ilay malalany
Eo am-parafara vato
.
Ka,...mijohy tsy miato
Ny ranomasokely
Sisa mba tsy ritra
.
Satria iny sisa
No hany hanehoany
Ny alahelom-pony
.
Miangavy re levony
Tsy hisy fanin-droany
.
R.v.k
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahafatesana
Mpakafy:
Nenipiso - Ravakiniaina.
