Lavitra azy (radimy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any mantsy izay ilay olona iny!
Mba toa ahy koa ve,
Mahatsiaro ny fahiny?
Ireo lasa be dia be,
Moa ve tadidiny iny?

Any izy izay manko!
Misaina ny amiko ihany ve,
Izany koa ka ho fakaiko?
Ny ratsy azy vitako efa be,
Mampanenina ahy tato ho ato!

Raha izay manko no nihezaka aho!
Dia mbola teto ihany izy.
Tsy hisy akory izato fahantrako!
Manina azy izay mangidy.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
459 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : radimy
Nampiditra : radimy
Daty : 27/07/2019 20:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144