Dieny. - RADO RAMAHERISON
Dieny mbola velon' aina, aza kivy ianao,sakaiza
Aza resin'ny taraina fa hazao hatraiza hatraiza
Ny anjara tsy midify, anjaranao ety
mba hisambaranao rehefa mby ery
'Dieny mbola velon'aina,milofosa ombieny ombieny
Fa ny adinao ety dia ady ihany ireny
Ady ho fandresena raha toa ianao tsy kivy
Ny mamy no andraso raha sendra ny angivy
Fa ny fiainana eny mantsy dia fiainana tokoa
Mifamahofaho na ny ratsy na ny soa
RADO RAMAHERISON/ 10 Oktobra 2000
Sokajy :
Fampaherezana
Mombamomba
Mpanoratra : RADO RAMAHERISON
Nampiditra : tslem
Daty : 07/04/2011
Mpamangy : 1175
Mankafy : 1