You are here: home > Vetso

HAFALIANA SY ALAHELO - RADO RAMAHERISON

HAFALIANA sy ALAHELO

Hafaliana sy alahelo samy tonga tao am-pony
nony injay ianao nilaza tsy hipetraka eto intsony
Hafaliana ho azy fa hary elatra ny zanany
Alahelo koa anefa fa ho lasa ilay malalany

Hafaliana sy alahelo samy tonga tao am-pony
Ny hafaliana anefa no nilaka , niambony
Hafaliana ho azy fa nahatsangy ny ho ary
Alahelo koa anefa fa Lalatiana naharary

Hafaliana sy alahelo samy tonga tao am-pony
Ny alahelo anefa mora ihany dia nitony
Tsaroany ihany mantsy fa iny zanany iny
tsy hoe dia ho aiza akory fa hanaraka ny tiany

RADO RAMAHERISON - Alarobia 09 Jona 2010

Sokajy : Mariazy

Hevitra mandeha

zonia (19/01/2012 10:02:15)

Misaotra an-dRado RAMAHERSON. Hainao tsara ny nandika ny fihetsem-pon-dreny nilaozan-janaka amonjy ny olon-tiany. Gadona sy ny mason-tsivina ampiasana ifidiananana ireo voam-bolona enti-miantsa koa ao tsara. Mankahery rahalahy.
Etsy anie e! iriako ny hanoratanao tononkalo mikasika ny Fktn-tsika na koa iarahana manoratra @ Zafy Reary ( Kambana journaliste).
Ok
E-mail: onytianaolivia@gmail.com

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RADO RAMAHERISON


Nampiditra : radoramaherison
Daty : 05/04/2011
Mpamangy : 1987
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Dieny.