ny lasa - RAKOTOZANDRINY Mamy Alain
Azo vakiana?
Ny lasa efa dify nindaosin'ny taona
Tsy azo antenaina hiverina intsony
Nefa ny ratrany mamela saona ,
Tsy voakosiky ny andro tsy mety mitony.
Ilay dian-tanàny mamela sary,
sy fery anaty, zay manaintaina.
Ilay efa tsy hita ,nefa io miharihary,
mitamberina foana ao anatin'ny saina.
Sokajy :
Alahelo
Hevitra mandeha
sariaka91 (12/07/2004 13:09:37)
Manohina be ahy ity tononkalo ity. Hoatriny hita maso ilay fery diantanana. Mampangirifiry...
fo2 (04/08/2005 11:20:41)
Tena marina, sady tsara ny tononkalo,
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTOZANDRINY Mamy Alain
Nampiditra : RAMAHDaty : 19/03/2004
Mpamangy : 984
Mankafy : 0