Mba jerijereo (Ralasivola)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba jerijereo

Ny fanaon'ny ntaolo s'ireo fahagola
Sy ireo ela nihetezana,ary ireo efa sola
Dia fomban-drazana,feno fahendrena
Mba tombano ihany fa misy ny harena.

Ka ailano ny sofinareo ry zalahy
Mba eritrereto izany tsisy mpiahy,
Fa raha nidify ny ray,miady irery ny reny
Ny zaza tsisy mpananatra,tsisy mpiteny.

Tokony hampiana ireo tsy dia afaka
Mandia tany ka mety ho solafaka
Miloloha lanitra ka mety ho lena
Mba jereo ihany fa mampahonena.

Aza latsaina na hosihosena
Raha sendra diso ny mpanano-tena
Aza anaovana fanahin-jiolahy
Fa ny fara-vady hono anadahy

Ary ataovy toy ny voan-kazo an'ala
Tehirizo tsara toy ny raki-malala
Ny hafa-boarakitr'ity tononkalo
Mandra-pidifin'ity fiaina-mandalo

Ralasivola
--------
Rohy:
1714 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ralasivola
Nampiditra : Merinaforever
Daty : 06/04/2005 13:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014