Aza diso tia tena (RalMich)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjakao ny zavaboahary
izay no tenin'Andriamanitra.
Andramo anefa ataovy sary
ianao irery ambany lanitra !

Notinapakao ny ala,
nodoroinao izay tavela.
F'ianao ve adala
sa dia diso tia tena e !

Mba saino kely hoe hankaiza
'reo biby sisa tsy voavono ?
Ianao 'fa sady tsy hitaiza,
mbola handrava ireo voafono !

Ny ranon'orana hiato,
ny tany ho zary karankaina,
ilay mpanazava hanjary afo,
moa any ianao vao ho tonga saina !

Dieny mbola azo atao,
dia tanteraho ireto teny :
izay hazo notinapakao
dia soloy indroa heny.

Mahajanga - 2001
RalMich
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
30 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RalMich
Nampiditra : ralmich
Daty : 30/06/2026 03:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112