Hianatra aho (RalMich)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehibe aho ry neny,efa haiko ny miteny.
'Ndeha hianatra ami(n)'izay,
mba ho tafita sy hahay.
Te hahay hamaky teny,
hahafehy ny tenin-dreny.
Ny mikajy koa ilaina,
ami(n)'izay aho tsy ambakaina.
Hiezaka aho hifoha maraina,
tsy hahalala izay taraina,
hanao hatrany izay lazaina,
ho fandrangitana ny saina.
Ny fianarana rankizy,
lova tsara sarobidy.
Fahombiazana azo antoka,
hoan'ireo izay mifantoka.
RalMich
Mahajanga, 21 jiona 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana
