Fahanginako (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahanginako tsy midika hoe faresena
Ka aza ny endriko ivelany no jerena
Nahatsiaro ny lasa aho ka lasa vinany
Zany nefa tsy midika fa miavona aho androany

Nangina kely fotsiny ka tsy toy ny omaly
Lasa saina fa tsy hoe tsy manan-kavaly
Dia mandrevy irery mahatsiaro ilay tsiky hatrizay
Indrindra moa ireo sangisangy rehefa tafaray

Indrisy anefa fa tsy hita intsony izy ireny
Eny, nangina tokoa ka mahatsiaro ho irery
Mino ah fa mbola hisy ilay tsiky
Ka tsy hangina itsony afaka taona vitsy

Mety mieritreritra aho ianao fa marary fo
Na koa hoe manao andolom-po
Nangina fotsiny re aho fa tsy mahita lazaina
Ka diso ianao raha izany no atao ao an-tsaina

Mino aho fa mbola hisy ny fiovàna
Tsy ny amiko ihany na ianao fa ny fanjakàna
Ka samy feno tsiky isika any aoriana any
Ka ny fanginana tsy mdika fa malahelo na resy hatrany

Aleo mangina dia mandinika tsara ny hoavy
Toy izay feno tabataba, ka tsy mahita afa tsy ny omaly,
Dia mazotoa daholo mamisavisa
Ny lasa, ny omaly, ny androany, ny hoavy
Dia farany any amparadisa

Mamy 19/08/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143