Feon-java-maniry (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny feon’ireo zava-maniry
Izay miantsoantso antsika mafy
Ndao re mba hiaro sy hitahiry
Amin’ny alalan’ny voa izay afafy

Miantso antsika izy, amin’ny alalan’ny raviny
Ny hiaro azy hono no mba tedaviny
Miresaka izy ireo sady manonona ny anarany
Mba tsinjovy ihany ny taranakay any am-parany

Miteny mafy ny hazo an'ala
Amintsika tsy hisy hiala
Amin’ny fiarovana azy ireo
Mba tsy hisy hampitoreo

Miteny mafy ny ala maina
Aoka re tsy hokapaina
No sady mitaraina
Amin’ity tany karakaina

Miteny amintsika, ny ala hoko
Mijaly hono izy no sady mitoloko
Mitalao sy miangavy
Amin’ny fiarovan’azy

Ny feon’ny ala mando
Miteny amintsika ihany koa
Fa maro be ireo vokan-tsoa
Fanafody kibo, aretina an-doha

Mampafatatra izy ireo ka tadidio
Fa manome tontolo milamina sy rivotra madio
Ny feon’ireo zava-maniry, mampafantatra antsika
Fa ho very isika raha sanatria misy zavatra mipika

Ymamiah 11/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
237 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 11/06/2023 07:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0624