Fiainana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainana eto an-tany
Izay amban’ny masoandro
Dia miamafy hatrany
Isa minitra, isan’ora,isan’andro

Eny, fa na dia manam-paniriana
Mba hianjehana ny masoandro mody
Hialana ao anaty fijaliana
Nefa indrisy, zara fa ho tody

Eny, misy fotoana mibalika
Toy ny taratry ny masoandro
Zay manala ny hatsika
Ka manafana ny andro

Eny,misy fotoana manjombona tanteraka
Toy ny masoandro semban-drahona
Ka izay atao rehetra tsy mety ipetraka
Mafy,mangidy mihoatra lavitra ny vahona

Mamy 18/08/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147