Fiainana an-tany (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny oa ry fiainana an-tany
Olombelona ihany aho re
ka mahatsiaro marary sy mijaly
Dia tena izay tokoa ve
Ny any amponao any

Sa izaho no diso fijery
Ka lasam-borona isan'andro ?
Nefa aho tsy mino ho irery
Fa eo anilan' Ilay Ray hatrany

Matoa aho anie mangina
Dia mandinika Izay atao
Fa tsy hoe manaiky avilivily
Ka iavonanao lava izao

Ny zava-drehtra anie misy farany
Ary mandalo koa izao tontolo izao
Dia tsinjovy ihany ny any aparany
Fa sao dia anenenanao

Afatra ihany ny ahy
Fa aza raisina ho tsy fitiavana
Mba afahanao manomam- panahy,
Koa raiso ampiniavana

Mamy 18/08/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138