Fijalian'ny tany (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangetaheta ny tany
Fa toa tsy misy fiafarany
Izato hain-tany
Mamely mafy mampitomany

Nisy naka, namotika daholo
Ny toerana maintso volo
Na an-tendrombohitra na an-dohasaha
Dia simban'ny gasy sy ny vazaha

Ireo tantsaha izay nikolokolo sy nananjary
Tanety, tanimboly, tanimbary
Dia ratsy fararano
Fa miharitra ny loharano

Ireo vahoaka an-tanan-dehibe
Dia samy manganohano
Na ny ankizy na ny lehibe
Fa tsy ampy intsony hoe ny rano

Tsy any antsimo ihany izany no kere
Izay raiketa no mba hohaniny
Izay mba hany vokatry ny taniny
Fa efa tonga amin'ny faritra marobe

Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
125 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 06:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152