Ilay fotoana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'izao dia anjarako ny mitaona
Miverena fa efa akaiky ny fotoana
Tsy henonao ve fa misy miantso anao foana
Miovaha, fa izay ilay fotoana

Na any am-piangonana na any an-tsena
Ny tanjona dia ny hatsiarovanao tena
Mety misy ireo miroroha saina
Satria tsy maita izay ilaina

Efa fantatrao koa ve?
Fa hisy ny kotrok'orana
Zay mampiorohoro
Tena mampatorana

Ary ny lanitra miozongozona, ny tany torotoro
Amin'izany dia hisy ny ranomaso
Na hoan'ny mpivavaka na hoan'ny mpanao akaso
Ka na voky ianao na noana
Dia mba diniho iany ilay fotoana

Ymamiah 12/09/ 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
210 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 10/06/2023 09:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232