Manina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany fa henoko mitsoka ao ampototsofiko
Ny rivotrin’ny fahatsiarovana
Mampitamberin ireo nofinofiko
Indrindra fa raha sendra torovana

Manina aho ankehitriny
Manina an’ireo ray aman-dreny
Indrindra fa ny olo-tiana
Fa tsy hita intsony izy ireny

Eny, manina azy ny foko
Mahita ity toerana maro loko
Ny saiko toa tsy tafandrimandry intsony
Ny ao anatiko ao tsy mety hitony

Manina azy foana
Hany ka misambaovoana
Manontany tena foana
Rahovina vao mba hiaona?

Eny, manina anao ry tiana
Ka lasa saina sy varimbariana
Tsy misy azoko atao
Eny fa na dia ny hiresaka aminao

Manina azy aloha hatreto
Ka mahatonga aho hisento
Mahatsiaro ireo sovenira tsy voatanisa
Nefa indrisy, toa nofinofy sisa

Manina azy ah, ka mitsiky sy mteny irery
Any izy izay, tsy mba mahatsiaro aho miady irery
Diso manina ny any
Ka tsy mahatsiaro ny eto an-tany

Tsy tsaroako intsony ny andro ariva
Sy ny fiainana eto an-tany
Mahatsiaro ilay takariva
Sy ilay hatsika any

Mamy 9/09/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137