Nifidy anao aho (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifidy anao aho
Ianao fa tsy olon-kafa
Noho izany afoiko ny hafa
Satria ny miaraka aminao
No tiako hatramin’izao
Hanorenana fitiavana
Indrindra fa fiavanana
Ny mampalahelo anefa
Araraotinao ny safidiko
Sa misy zavatra tsy voahefa
Indrindra fa ireo adidiko
Efa noleferiko avokoa
Ireo fihetsikao izay tsy zakako
Ianao nefa tsy mety afa po
Sa hamidiko ny tandrazako

Mamy 9/09/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0297