Nofiko (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofiko io maraina io
Tso- drivotra madio
Namafa ranomaso
Fa tsy hisy intsony ny ankaso

Nofiko izay tena mahavariana
Nampitony ny fijaliana
Tsy nisy intsony ny tomany
Fa hafaliana hatrany hatrany

Nofiko ihany koa ry zareo
Fa tonga hono i Jesoa
Ka foana hatreo ny toreo
Zay tsy nisy nanampo

Nofiko teto an-tany
Orana malefaka tsy misy fiafarany
Tsy nisy intsony hoe ny valifaty
Ary nitsangana avokoa ny maty

Nofy ririnina ihany ve izany?
Na koa noforon'ny saiko ihany
Sa zavatra hiseho
Ka fampiomanana antsika ry zareo

Ymamiah 9/06/2020
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
239 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 07:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136