Tebiteby (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tebiteby ny fiainana ankehitriny
Tebiteby feno hankiviana
Tebiteby mafy no mianjady
Tebiteby miaina aman'ady

Tebiteby feno ahiahy
Mampijaly saina,fo amam-panahy
Tebiteby tsy vetivety monja
Fa tebiteby tsy misomonga

Tsy mba vitsy fa be dia be
Ireo tebiteby rehefa eny an-dalambe
Tebiteby no mibahana sy mipetraka
Izay manafoana ny tanjona tsy ho tanteraka

Tebiteby eo anoloana
Miandry ny ora sy ny fotoana
Ka handroso sa hitorona
Amin'ny ady sy ny tolona

Tebiteby mampahory
Na mandeha na matory
Tebiteby mampijaly
No iainana eto an-tany

Tebiteby amin'izato krizy
Ka be ny mandeha amin'izay tsy izy
Tebiteby mahafaty
Ny ivelan'ny tena na ny ao anaty

Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 07:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0281