Tsingerintaona (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nifoha aho ny maraina
Toa lasalasa saina
Nandinika ny fotoana sy ny ora
Zay mikorisa moramora

Nandeha ny andro sy ny volana
Ka lasa ho taona
Zay tsy mba azo takonana
Ny lalana nodiavina, ny lasa tsy mba foana

Fa voasoratra ato anaty
Tsy voafafa mandra-maty
Ny andro 17 Jolay
Hatramin'ny mbola kely ka ho mandrakizay

Ka fetiko ny andro anio
Tsingerin-taona nahaterahiko
Andro iray isan- taona io
Ka ifaliko amin'ny foko sy ampanahiko

Ka tsy fanomezana ihany
Zay mety simba sy mora lany
No angatahiko aminao anio
Fa vavaka amin'ny fo madio

Ka fisaorana eram- po sy eram- panahy
Ho Anao ilay Ray nitahy
hatramin'ny natongavako teto antany
Na ny mbola any amparany any

Eny,Tompo, mankasitraka indrindra
Satria tsapako fa mirindra
Nitondranao ny fiainako
Zay tsy mba takatry ny fisainako

Dia misaotra indrindra ry Tompo
Ny amin'ny andro anio, ndrindra tamin'ny fitahiana
Ka afahako midera sy manompo
Ka ataoka ampifaliana

Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
308 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 07:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144