Andon'ranomaso (RAMAMONJY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andon'dranomaso
Andon'dranomaso no nameno ny fiainako
toa tsy nety ho voafafa fa toa vao maika nahakotsa ity vatako
Ilay androm-pahoriana no niaretako tamin'ny andro sy ora maro
izay niaretako ireo fijaliana izay nitraotra tato anatiko

ilay andon'dranomaso zay nianjera tato anatiko
nihombo hatrany hatrany toa marary ka tsy tantiko
Toa lasa alahelo ka nandratra mafy maharary
manaintaina tsy hita intsony, lasa hita niharihary

Nihitatra ho fery,ilay nilaozanao ry olontiana
izaho sisa no irery ,nandao ianao ka toa nangina
lasa ianao ka nanalavitr'ahy,tsy ho eto anilako intsony
hiaina fianam-baovao any ambany rangolahy,hametraka ny fony.


RAMAMONJY (11/10/2016)
--------
Rohy:
869 1
Mpakafy: heryramamonjisoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMONJY
Nampiditra : heryramamonjisoa
Daty : 11/10/2016 05:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135