VOAENDAKA SAHADY AHO... (R.A.Mario)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voaendaka sahady aho …

Voaendaka sahady aho omaly…
Voaroba ny fananako
Tsy milamina ny tany
Foana teo ny fahafahako

Fa tanora vitsivitsy
Manao fihavin’olon-dratsy
No nandroba tsy nitsitsy
Sahy mandrangaranga basy

Norohitiny tan-dàlana
Ilay sarobidy loatra
Voaroban’ny mpangalatra
Indro nentiny nitsoaka

Very ilay fanalahidy
Tokana mba handrosoana
Ilay tena lafo vidy
Tsy voasolo raha soloina

Eny hatramin’ilay mizàna
Fandanjàna tena marina
Tsy nasiany fanajàna
Noravàny tsy ho tafarina

Tsy nahoany kely akory
Na ny aina na ny rà
Fa ny vola no ambony
Fahefàna vao fanahy

Tolagaga izay nahita
Tankina tsy nahahetsika
Fa nandalo ny minitra
Maty paika koa ny tetika

Ny finoako sisa nody
Vavaka no notinafy
Dia nindramiko ny tody
Sy ny marina tsy maty.

R.A.M le 18 mars 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.A.Mario
Nampiditra : marobiby
Daty : 19/03/2009 07:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0617