FITIA TSY TANTERAKA - RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK
Azo vakiana?
te hilaza aho anefa, matahotra tsy sahy
fa ny angotingotinao, no toa naniraka ahy
hoe amboraka an'izay, zava-miafina ato am-po
fa ianao no tena tiako, ianao no masaka ato an-doha
dia niaraka isika, tanaty andro maromaro
nifandimby tao ny ady, sy hafaliana mifangaro
ka ny zavatra tsy tiako, no toa tena maminao
ka aleo dia tsoriko eto, izao teny izao
aza gaga na sondriana, raha sendra andian-drahona
fa ny fotsy ho lasa mainty, ny tantely ho lasa vahona
izaho mikatsaka ny soa indray, no toa sakananao
ka ny metimety angamba, aleo MIFANDAO
Sokajy :
tantara
Mombamomba
Mpanoratra : RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK
Nampiditra : rapah.alainDaty : 16/04/2013
Mpamangy : 1288
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY SAHYMALALA