TSY SAHY (RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
teny tokana iray, tsy mba sahiko lazaina
mampangovitra ny vavako, ka mampiasa saina
tehirizina tsy tanty, ato am-po tsy hay afenina
tiako ambara anefa izany, tsy isian'ireo nenina

teny tsotra iray monja, no ambarako aminao
somary kely fa mafonja, dia ny hoe: "TIAKO IANAO"
efa ela no nitoetra, fotoana maro tsy voafetra
nefa izaho tsy nety sahy, fa mbola nisy ahiahy

miahotra aho ny anolo-tena, hiresaka aminao
midoboka mafy izany foko, manery ahy tsotr'izao
mitempo mafy hatrany hoe: io fa aza avela
mandrisika ahy hiteny, fa tsy misy iandrasan'ela

rahoviana re vao tsapanao, 'lay ato am-poko ato
ilay fitiavako mangina, feno zato isan-jato
tiako mantsy mba hitoetra, ho anao sy ho ahy
fa ny amboraka azy tsy hay, ary toa tsy mba ho sahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1181 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMIARAMANANA ALAIN PATRICK
Nampiditra : rapah.alain
Daty : 16/04/2013 12:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126