FIKA NAOFA (ramix)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ty fikanao mba hovao ry kalakely
Aleo aloha dia tsorina fa tena tsy mamely
Mody hoe izaho ilay tokanao eto an-tany
Nefa maro be ny rafiko any ambadika any.

Raha ny statistika no hojerentsika
Angamba tsy ho voatanisa ny effectif
Raha ny nanadala sy ireo izay efa niala
Tsy ho voatanisa intsony, tena mahalasa adala.

Ka ohatran'ny tsy tiako
Raha indriako no ho fanambadiako
Ny gidragidra aloha dia ho maro
Satria izaho koa tena saro-piaro

Ny fitafinao maha-te hijery, tena hafa kely
Tandremo ihany f'ireo bandy ange tsy anjely
Aoka izay ny ditra, mba ovao ny toetranao
Tsy aleo ve ianao mba sipa tsara kalitao

Mba mananatra aho fa tsy hoe be kafara
Ny anio anie milay fa mba diniho ny ao afara
Ny aretina efa bobaka indrindra ny SIDA
Raha voan'io ianao izahay aloha hiala pa.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1335 0
Hevitra mandeha
nikopol ( 07/04/2006 14:54)
Avelao kosa ny sipa hirevy Ramix an lolll
raozigasy ( 07/04/2006 21:19)
Misy setriny kely mampisokatra adi-hevitra ity Ramix sy NIkopol a !

Tena nofa aloha ilay fika
Raha toa ny sipa ka miodina
Sa ny bandy no alika
Tsy mahatanty dia mi”sodina”

Kanefa ity mbo kozy kely
Tena izy ve no misy foza
Sa i zoky koa sao dia mamely
An-tsisiny any vao mai loza

Tena izy ve no tena nofa
Sa ny pasiny no fosika
Indraindray koa mantsy nge ny kofa
Mamo nefa miantso osika

Raha bandy mantsy hoe miboraingy
Dia hoe revy normal
Dia mody hoe judo sy moraingy
Ny feinte rehefa maimbo alina

Ny bandy mody hoe samy bandy
Dia mandeha na beks na pi
Nefa ilay fika koa mi-bande
Fa samy afenin-dry leiry

Raha sipa raim de kobo
Raha voa miodina any ho any
K’izay nataony an-dobolobo
“Nahorak”’izay bandy “tany “

Ny sipa speed de maloto
Satria raha vao misy kozy miainga
Dia lazaina faikam-boto
Na la verità io na lainga

Ireo mba resaka ampiadiana
Hoe raha bandy ve tsy koi
Fa raha sipa dia ariana
Sady izay ialana pà

Raha any dago aloha ekeko
Ny aty finda mantsy hafa
Satria izay jereny sy jereko
Tsy sahala fa samihafa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ramix
Nampiditra : ramix
Daty : 07/04/2006 14:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1074