You are here: home > Vetso

Tiako nefa alako - randjy

Azo vakiana?

Velon-tsento ny fanahiko
Oriory izany foko
Te hitraotra  te hiady
Te hikiaka fahafahana


Te hiira fandresena
Te hitendry fifalina
Te hamono fanavahana
Te ho tezitra amin’ny razana.


Fa ny tsiky novoleko
Ny fanahiko tontolo
Izay nomeko anao rahavako
Tao anatin’ny fitiavako


Zary varatra sy ozona
Latsa ,kapoaka feno poizina
Fa ny andry  izay najoroko
Iankinan’ny vovonako
...
Indrisy rava ..
Zary foana ireo fotoana sina moana


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

bichette (18/08/2004 11:56:50)


antenaiko fa ankehitriny efa tantara lasa tanteraka izany

andratax (15/11/2004 12:29:14)

mba misy sary sexy vehivavy gasy ve tompko azafady.Manakaleo be le avy any ivelany.
ohatra hoe poopy manao maillot de bain,dondolahy en 2 pieces sns...milay be raha misy zany.
heteheta ny ahy fa tsy resaka hafa.
mala-tsaina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : randjy

Nampiditra : randjy
Daty : 22/03/2004
Mpamangy : 1127
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Embona
Raha fantatrao mantsy