Hevitra momba ny Indrisy

Hiverina amin'ny Indrisy
Fenohery ( 11/12/2004 18:15)
Aza omena tsiny izy fa:
Efa hatrany ampiandohana no nazava taminao
Fa ny volana handalo, ny lohataona dia ho lasa
Ny voninkazo dia hanitsana aorian'ny famololony
Ny valiha hitsahakalo
Ary toy izany koa ny fitiavana natolony
Tsiro manam-piafarana?
vetsoko ( 12/12/2004 00:15)
Mody ny masoandro satria hariva ny andro
saingy adidiny, tsarovy, ny miverina isan'andro,
hitondra hazavana
hivimbina hafanana
ho an'izao tontolo izao
anisany ianao
... Tsoa
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009