Indrisy (Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indrisy...!
narodanao sahady, teo an-tsahan'ady
ilay tokim-pandresena.
Izay nifanomezana, ho fefy hifehezana,
antsika tsy hivena.

indrisy...!
Sahinao takonana, tsy ahita fiononana
ilay foko izay nitia.
Nasianao taraina, tsy zaka hobataina,
hanakana ny dia.

Ny indrisy anaty fitenenana, dia midika fanenenana
Arahina toreo.
Fa ho an'ny te hiampita:

Andry Mirana 01/10/2001
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
1450 2
Hevitra mandeha
Fenohery ( 11/12/2004 18:15)
Aza omena tsiny izy fa:
Efa hatrany ampiandohana no nazava taminao
Fa ny volana handalo, ny lohataona dia ho lasa
Ny voninkazo dia hanitsana aorian'ny famololony
Ny valiha hitsahakalo
Ary toy izany koa ny fitiavana natolony
Tsiro manam-piafarana?
vetsoko ( 12/12/2004 00:15)
Mody ny masoandro satria hariva ny andro
saingy adidiny, tsarovy, ny miverina isan'andro,
hitondra hazavana
hivimbina hafanana
ho an'izao tontolo izao
anisany ianao
... Tsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Nampiditra : andrys
Daty : 11/12/2004 14:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104