NY AKAIKINAO (RANDRIANANTENAINA Tsilavo Franck)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra o, henoy, izao vavako izao
Ny fiainako rehetra, no apetrako aminao
Maniry mafy aho ny hoe: "Ianao no homba ahy"
Ho toky sy fanantenako, ho ahy mandrakizay

Fiv: Eny re, ry Jesoa, inty aho manolo-tena
Ny amiko tontolo mba ho fanananao
Matoky aho fa ianao no hany famonjena
Ka sambatra, finaritra ny eo akaikinao

Tsy misy izay tsy hitanao ny fiainana ety
Na velon-kafaliana, na vesaram-pahoriana
Inoako fa raha ianao, Mpamonjy be fitia
No eo mba ho mpiaro ahy, dia tsy hanam-panahiana

Mpanota aho, tsy mendrika ny atao hoe zanakao
Fo vato no nameno mbamin'ny haratsiam-panahy
Kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao
Dia indro aho tsy hisalasala ny hanatona indray
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
6 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANANTENAINA Tsilavo Franck
Nampiditra : franckrandria
Daty : 16/10/2026 09:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0278