Fitia tsy matotra (RANIAFITIANA Denita)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanahoana re ! ry tiana
Dia manao toy izao
Tsy mba misy fandinihana
Ny fitiavana atao kilalao

Izao anefa no tsy fantatrao
Io fitiavana io mandoro
Izay,no teniko aminao
Raha mbola fanao ny manolosolo

Ny tena fitiavana no lazaina
Dia olon-droa mifamatotra
Amam-po;ka ny fetrany dia ny aina
Satria ao ilay fatokiana matotra.
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1492 1
Mpakafy: Arimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANIAFITIANA Denita
Nampiditra : denifana
Daty : 14/12/2004 13:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134