Ilay alina mangina (RANIAFITIANA Denita)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay alina mangina
No hisainana ny ho avy
Mba hisian' ny fandinihina
Ny tena mba tsy hanavy
Ilay alina mangina
Tsy natao hatoriana
Fa raha misy sorisory
Dia tsy mahita tory

Ilay alina mangina
Mety hisotroana ny mangidy
Satria nianjady teo ny faoriana
Ka mavesatra ny adidy

Ilay alina mangina
Higoana ny tsara indridra
Afaka ilay fangirifiriana
Izay nangeja tsy nahafahana namindra
Ilay alina mangina
No mitondra fisainana
Jery todika nyaoriana
Fanembonana ny hoavy tsara anana
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1979 1
Hevitra mandeha
vetsoko ( 14/12/2004 22:25)
soa fa nisy ny alina e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANIAFITIANA Denita
Nampiditra : denifana
Daty : 14/12/2004 12:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097