…!!! (RANÖE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy zakan’ny saiko ny nieritreritra anao.
Ilay irery takariva; nilaozan’olon-tiana
hamonjy ilay fodiana.
Ilay salovanao manjonitra tomany no toa hitako eto izao
Maso bongobongo, manganohano kely.
Ilay molotsa e ! …
Antsay e !!! Ilay fijery e ! …
Mamy toa tantely; mitsiky toa anjely.
Dia tsaroako eto izao ireo zaridainantsika,
indry ilay nangatsiaka, mikisina hafanana. I
reo sangisangintsika mivadika ady kely.
Ireo monjomonjontsika. Ireo azafadintsika.
Ireo sakafontsika. Ireo safosafontsika.
Ireo lalan-kelintsika. Ireo andro mamintsika.
Ireo sarobidintsika … Ireo …
Miverina ao antsaiko izany rehetra izany,
dia tsiaro anao no sisa no indreny mitanisa
mameno ny eritreritro.
…..manidina any ho any…..
Tiako akia indry a !!!
--------
Rohy:
38 1
Mpakafy: Nikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANÖE
Nampiditra : ra22
Daty : 21/12/2011 19:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134