MIVERINA ETO INY (RANÖE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hahatsiaro ianao hahatsiaro
Hitafa ianao ka hitafa
Fa ny tafantsika roa
Tsy mba fantatr’olo-maro
Tsy mba hain’olon-kafa.

Hiteny ianao hiteny
Hitady ka hitady
Fa ny nofintsika roa
Ilay nanjeny teny ho eny
Dia zava-tsaro-pady.

Hijery ianao hijery
Hahatsiaro ka hahatsiaro
Fa ny sarobidintsika
ilay ahy sy anao irery
tsy azon’iza hafangaro.

Lasa ianao ka lasa
Hitia ka tena tia
Fa ilay lasantsika iny
ireo zava-nokinasa
Tsy ho hadino sanatria.

Any andro iray
Hitady ahy ianao !
Fa izaho….. tsy ho eo intsony.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2495 2
Mpakafy: Nikalo - mitsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANÖE
Nampiditra : ra22
Daty : 21/12/2011 19:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213