OVIANA? (RAONA)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OVIANA?
Oviana moa ny rariny no mba nahitanao rirany ?
Oviana koa ny fiainana no nanome anao 'zay tsirony?
Oviana ny andro lasa no nampody 'reo tomany
ho zary hafaliana,hampitsiky indray ny ho avy?

Impiry izay ny fonao no diso fanantena ?
Dia mandrapahoviana ianao no hioty faharesena ?
Raha nitady vato ianao,impiry sendra toko?
Dia mandrapahoviana ianao no hisento sy hifoko?

Impiry ho hampahatsiahivina ny hasarobidin'ny fotoana?
Hiandry rahoviana ianao vao hitsahatra hisaona?
Oviana ianao vao hanaiky fa ny fanantenana diso,
no ampinga enti-miady hiatrehana ny ampitso?

RAONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
671 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
RAONA ( 04/05/2023 14:58)
Ny faharesena no antoka indray anarenana ny lasa sy hiatrehana ny ho avy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAONA
Nampiditra : RAONA
Daty : 04/05/2023 14:53
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157