TSIARO (RAONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko fa misy ny fanadinoina
Rehefa mandalo ny andro sy ny ora
Fa hiverina ny lasa tsy mila antsoina
...ny hiaina ireny aloha ka tsy mora

Fa na inona vaikan' ny taona nandalo,
Ny fahatsiarovana akory tsy ho foana
Dia na inona sedra mikendry hampimalo :
Ny tsiaro mipetraka tsy resim-potoana


Ho avy ny andro, handalo ny volana
Tsy maintsy ho avy rafanadinoina
Fa izany tsy mahaleo ny fahatsiarovana
ireo izay niainana sy sarotra inoana

Koa omany ny saina hiseho ho mafy
Hahazaka ny vaikan' ny ankaso rehetra
Fa ho avy ny sedra sy ny olana higafy
(...)ireny no zary tsiaro mitoetra.

RAONA( Ony Navalina Rajaonah)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
465 1
Mpakafy: zakaberthot
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAONA
Nampiditra : RAONA
Daty : 04/05/2023 21:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232