Hevitra momba ny Angamba aho raha hikozy

Hiverina amin'ny Angamba aho raha hikozy
zavotany09 ( 19/08/2013 09:47)
izaho koa te-hiteny, hanamafy fa tsy mety
raha izay rehetra be sandry sy mihoam-pefy
ka mandrombaka fahefana no mbola omena toky indray
fa hiadana tsy hisasatra an-damosinay.

efa sangy mihoatry ny loha, ny hiainana izao
f'izay sahy miteny karavasiana, voadaroka tsotr'izao
saingy ny indro mampalahelo, hatraiza no fetra
sa isika gasy mihitsy no be tsetsetra ?

tsy voatanisa ireo miteny sy milaza tsy mankasitraka
nefa firy amin'izy ireny no mihinana misitraka
zary paika fandemena ny antsoantso mialà
fa ny ambadika miseho: hifampizarana ny raharaha.

k'izaho koa te hiteny, aiza ho aiza koa isika
hatramin'ny rahoviana no hianoana ity mozika
sa efa eto an-tanin'ny samy maka ho azy
hifanome lamosina eto dia samy manao anaty vazy

izay voatsirambin'ny tànana amin'ireto harena marobe
ka ny kely fofon'aina miala sisiny mandeha ?
avela hanjakany ity tany tokony ho paradisa
nefa izaho te hiteny: ISIKA ANIE MARO AN'ISA ?



Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0101